♦ Ny maraina teo no nanatanterahana ny "Messe Chrismal" teny amin'ny Ekar Antanimena, ho an'ny arsidiôsezin'Antananarivo. In-droa miantoana kosa no nankalazana izany tany amin'ny diôsezin'i Morondava... ♦ Firenena efa tena ao anatin'ny fandrosoana i Algérie, raha miohatra amin'ireo firenena Afrikana maro. Azo alain-tahaka tsara noho izany ny dingana nivoaran'ny toe-karena Alzeriana hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona... ♦ Misokatra indray ankehitriny ny fandaharan'asam-pirenena Miarina By Fihariana. Nitarina ho an'ireo orinasa maniry ny hindram-bola hampivelarany ny orinasany indray ity tolotra ity amin'izao andiany faharoa izao...
Ny faha 07 avrily isan-taona no daty fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny fahasalamana. Ny lohahevitra ho fanamarihana ity farany, tamin'ity taona 2022 ity dia : "antoky ny fahasalamantsika ny tany onenantsika". Ny tiana ho lazaina amin'ny hoe " tany onenantsika" dia ieo rehetra manodidina antsika izay mifototra amin'ny olombelona. Mandritry ny fanamarihana io andro io dia imasoana ny fanentanana ny olona rehetra mba tsy hanao dokotera-tena, fa hiezaka hatrany hizaha fahasalamana amin'ny mpitsabo matihanina ...
♦ Tanterahina anio maraina eny amin'ny Ekar Antanimena ny "Messe chrismale" ho an'ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Notanterahana omaly teny Andraharo ny dinika savaranonando, nandraisan'ny antoko politika ivelan'ny fitondrana sy ny fiaraha-monim-pirenena anjara nanomanana ny fikaonan-doham-pirenena. Ampy tsara hoy ireo mpandray anjara ny 18 volana hanitsiana ny lesoka amin'ny fifidianana... ♦ Marin-toerana sy manaja ny fetra napetraky ny fitondram-panjakana ny vidin'ny entana teny amin'ny mpaninjara, raha nidina tampoka nijery ny zava-nisy teny an-tsena ny ministry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana...
Kristy tsy manilika fa ny olona no manava-tena. Ao amin'i Jesoa Kristy irery ihany no misy antoka ho amin'ny fahafaham-po. Apetraho ho loha-laharana amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra, katsaho aloha ny fanjakany dia hanampy anao izy. Ialao ny fialonana sy ny fitsiriritana fa meteza halala-tanana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco