Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe: "Izaho no Mpiandry ondry tsara". Ary dia niteny koa Izy nanao hoe: "Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, omeko ny fiainana mandrakizay izy, ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Ny Raiko Izay nanome an’ireo dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka, eo an-tanan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany".
Tamin’izany andro izany, dia nifanditra ny Jody nanao hoe: "Hataon’Ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?" Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry ny mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana itý mofo itý kosa dia ho velona mandrakizay." Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.
♦ Vao mainka niakatra ny vidin'ny entana eny amin'ny tsena sasantsasany, taorian'ny nampiharana ilay famerana ny vidin'entana farany ambony, raha ny tatitry ny PMH, fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Mety mbola hiakatra noho izao ny vidim-piainana eto Madagasikara, raha ny fijerin'i Mahery Lanto Manandafy. Nambarany fa mbola hahatonga izay fiakarana izay ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika eto amintsika atsy ho atsy... ♦ Atahorana mafy indray ny fivoahan'ny harem-pirenena mankany ivelany amin'izao ankatoky ny fety izao. Volamena 7 kilao indray no tratra tao Anjajavy, distrika Analalava ny faraparan'ny herinandro teo...
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray, teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady, ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo: "Handeha hanarato aho". Fa hoy ireo taminy: "Handeha hiaraka aminao koa izahay". Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manan-kanina va ianareo, anaka?" Dia hoy ny navaliny Azy: "Tsia". Hoy Izy tamin’izy ireo: "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo". Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: "Ny Tompo io". Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny, ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: "Itondray ny hazandrano vao azonareo". Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Avia hisakafo". Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: "Iza moa Ianao?" Satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy.
Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?" Ka hoy ny navaliny azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao". Izy no nilaza izany, dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: "Manaraha Ahy".
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco