Talata 8 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15

♦ Niakatra ho dépression tropicale ilay andro ratsy any amin'ny ranomasimbe Indiana. Vinavinaina hiditra an-tanety rahampitso maraina... ♦ Mampitandrina ny fitondram-panjakana ny firaisan-kina sendikaly eto Madagasikara na SSM, fa tsy ho zakan'ny firenena ny fisian'ny hetsi-pitakiana hataon'ny mpiasa manerana ny nosy... ♦ Niezaka nitondra fanazavana momba ny resabe naterak'ilay fandrarana ny entana entin'ny mpandeha fiaramanidina androany ny Ministra Tinoka Roberto...

♦ Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, ny hira fanevan'ny JMJ Mada faha-10... ♦ Kristianina dimy amby efapolo no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Aomônerian'ny Miaramila, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'ny Arsevekan'Antsiranana, ny alahady 6 marsa 2022... ♦ Nanatitra sakafo sy fanafody ireo mpiasa rehetra tao Vatican androany, ho firaisam-po amin'ny Papa François amin'ireo lasibatry ny ady any Ukraine...

♦ Mihamanakaiky an'i Madagasikara ilay andro ratsy any atsinanan'i Cap Masoala. Tombanana hiditra an-tanety rahampitso amin'ny tanjaka " dépression tropicale" izy hoy ny Météo... ♦ Manamafy ny fitakiana Ministera manokana ho an'ny kolontsaina ny Fivondronamben'ireo fikambanana mpandala ny fomban-drazana eto Madagasikara. Tokony sarahina amin'ny Serasera hoy izy ireo, ny resaka Kolontsaina...  ♦ Ny antoandro teo no nosokafana tamin'ny fambolen-kazo any amin'ny farihin'Andraikiba ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy any Antsirabe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...