♦ Efa nivoaka ny hira fanevan'ny JMJ-Mada andiany faha-10, hotanterahina any Antsirabe. Efa nahazo ny fankatoavana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Manomboka mihena ireo trangan'aretina Covid-19 eto Madagasikara. 132 isa ireo tranga vaovao tao anatin'ny herinandro hoy ny MinSanté tamin'ny sabotsy... ♦ Voafidy ho filoha vaovaon'ny Federasiôna Malagasin'ny Kick Boxing ny Jeneraly Lylison René de Rolland, latsabato tontosa teny amin'ny ANS Ampefiloha...
Ataon'i Md Paoly kisarisary ny famafazana sy ny fijinjana izay ohatra tena tian'i Jesoa ; fotoana tsara no resahin'i Md Paoly amintsika, fotoana tsara hamafazana voa hiandrasana vokatra, tsy inona io fa ny karemy. Andriamanitra dia tsy mitsahatra mamafy soa ho antsika, fa isika koa dia voaantso hamaly fanomezan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Herinandro voalohany amin'ny karemy. Fanamafisana ny vavaka sy ny finoana mba hanana faharetana amin'ny fihavaozam-panahy. Tohizantsika hatrany ilay fandinihana masina efa natombontsika hatramin’ny alarobian’ny lavenona teo. Ka amin’ity herinandro ity isika dia handalina bebe kokoa ny fibebahana sy izay fomba anehoantsika azy eo amin’ny finoana sy ny fivavahana. Iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb
Alatsinainy 7 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco