Raha niresaka tamin'ny pretra sy ny relijiozy ny Papa tamin'ny fitsidihana teto Madagasikara dia nanamarika fa maro ny olana eo amin'ny fiainan'ireo pretra sy relijiozy ireo. Ny fotoana rehetra, ny toerana rehetra dia tsy maintsy hitoriana ny vaovao Mahafaly, toa tsy ampy hatrany ny pretra ary misy ny fiangonana any ambanivohitra aza tsy mahazo lamesa mihitsy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

♦ Asaina hiteny an-kasahiana sy an-kitsim-po ny olona rehetra, izany hoe atao an-kahalalahana, am-pahamarinana, sy am-pitiavana... ♦ Tsy ho tanteraka ny "fiarahan-dia" ataontsika raha tsy mifototra amin'ny fiaraha-mihaino ny Tenin'Andriamanitra sy ny fankalazana ny Eokaristia...

Alatsinainy 27 desambra 2021 — Masindahy Joany, Apôstôly, evanjelista — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 2-8

Ho antsika eto Madagasikara, ankoatra ny fiofanana eny amin'ny Seminera zandriny, maharitra sivy taona ny fiofanana ho Mpandraharaha masina : dingana propedetika iray taona, filozofia telo taona, firotsahana ara-pastoraly "Régence" roa taona ary dingana teolojika telo taona. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...