♦ Hiakatra 128 MegaWatt afaka enim-bolana ny herinaratra vokarina any Andekaleka. Nijery ifotony ny asa fanarenana tany an-toerana omaly ny Filoham-pirenena... ♦ Mety hitoetra eto amintsika indray ilay fito na ny Zone de Convergence Inter-tropical amin'ity herinandro ity. Ahiana ny ho fahabetsahan'ny rotsak'orana ao anaty fotoana fohy... ♦ Nanjavona ny tohin'ilay raharaha famonoana olona tany Ampano distrika Ambositra tamin'ny taon-dasa, Miantso ny tompon'andraikitry ny fitsaràna ireo niharam-boina...

Eo ampanaovana adidy dia tsy ilaozan'ny maha-izy azy ny lehibem-pikambanana ; entiny manatanteraka ny andraikiny ny fanomezam-pahasoavana sy ny kilemany, ny herim-panahiny sy ny halemeny, ny haren-tsainy sy ny fetram-pahalalany. Na ny Lehibe na ny mpikambana dia samy olombelona, manana fetrany, ka mety hampangirifiry sy hampijaly ny fanekena. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Talata 11 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28

♦ Tonga any Andekaleka ny "groupe" fahefatra sy ny "transformateur" miaraka amin'izany, ka fara fahatarany afaka enim-bolana hahavitan'ny asa dia heverina fa hiakatra hatrany amin'ny 128MW ny tanjaky ny herinaratra ho vokarian'ny ao Andekaleka... ♦ Hanamafy ny fijerena manokana ny tantsaha Malagasy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjafana. Hisantarana izany ny fametrahana toeram-pamokarana fary sy orinasa lehibe hanodina izany ho siramamy, any Ilaka-Est, any Vatomandry...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...