Sabotsy 21 aogositra 2021 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8

♦ Maimaim-poana ny fisoratana anarana amin'ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekolim-panjakana, amin'ity taom-pianarana ity, hoy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Fitaovam-pianarana maherin'ny iray tapitrisa kosa no hozaraina... ♦ Miandrandra ny asan'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta vaovao, amin'ny fanarenana ny fiainan'ny vahoaka Malagasy, ny antoko HARENA. Namoaka fanambarana androany, momba izany ity antoko ity...

♦ Mitaky fandraisana andraikitra ao amin'ny Fiangonana ny fandraisana ny sakramentan'ny Fankaherezana, hoy i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Morombe... ♦ Mahagaga ny famindrampon'Andriamanitra, hoy i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, tamin'ny Sorona Masina nankalazana ny taom-bolavotsin'ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Nanentana ny vahoaka hanao ny vakisiny fanefitra amin'ny Covid-19 ny Papa François...

Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...