♦ Miakatra eto an-drenivohitra mitaraina amin'ny manam-pahefana mahefa ny fianankavian'ilay reni-pianankavaina maty, novonoina tamin'ny fomba feno habibiana, tao Bekomafa-vondrozo, iray volana lasa izay... ♦ Niatrika fanadihadiana lalina teny amin'ny fonja nihazonana azy eny Antanimora Ramatoa Voahangy Rafanoharana... ♦ Nanomboka omaly ary hitohy anio ny famindram-pahefana eo anivon'ireo ministera taorian'ny fanovana ireo mpikamban'ny governemanta...

Araka ny voalazan'i Md. Paoly amin'ny taratasy nosoratany hoe " fa izahay moa mpiara-miasa amin'Andriamanitra ; ary ianareo kosa sahan'Andriamanitra sy trano arafiny" (I Kor 3,9), HIta fa misy fifandraisana sy fiaraha-miasa manaraka rindrandamina sy maharitra eo amin'ny mpiara-miasa dia  ny eo amin'i Jesoa Kristy sy ny mpianany. Tanjona iray no iraisana dia ny mba hampivaotra ny tsirairay. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Talata 17 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 23-30

♦ Mbola miaina anaty fitaintainana sy alahelo ny fianakavian'ilay renim-pianakaviana maty nofiraina antsy, tao Bekomafa Vondrozo, iray volana aty aoriana... ♦ Nanomboka androany ny famindram-pahefana eo amin'ireo minisitra teo aloha sy ny minisitra vaovao. Hitondra ny heviny eto, ny Solombavam-bahoaka IRD, izay naniry ny hahamaro isa ireo Solombavam-bahoaka ao anatin'ny Governemanta...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...