Zoma 15 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 1-7

♦ 63 taona katroka androany no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara. Nahatsiaro izany ireo Sojabe, tany amin'ny Distrikan'i Mandritsara izay nipoiran'ny Filohan'ny Repoblika voalohany... ♦ Atao mitovy avokoa ny Karinem-pokotanin'ny malagasy rehetra, manaraka ny toetr'andro sy ny fivoaran'ny teknolojia. Tsy hahafahana manao hosoka intsony, hanamora ny fanisam-bahoaka sy ny asan'ny tondfram-panjakana ary ny fanomezana ireo fanampiana ara-tsosialy...

♦ Manome 72 ora ny tompon'andraikitra amin'ny fampianarana ambaratonga ambony ny mpianatra ao amin'ny "Faculté des sciences" Université Antananarivo, hamaha ny olana misy... ♦ Manaitra sy mitaky amin'ny Vondrona Eorôpeana sy ny Governemanta malagasy hampiasa ny fomba rehetra hametrahana sy hanaovana sonia fifanarahana ara-drariny, mangarahara ary miantoka ny faharetan'ny asa fanjonoana ny ROHY... ♦ Hanomboka rahampitso ny FEPA andiany faha-12 eny amin'ny MPE Nanisana, nitombo ka lasa 120 ny isan'ny trano heva. Miara-miombon'antoka ny FAO sy ny Ministera...

Ny fotoana manokana dia tena manova fiainana na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Mitondra fiadanan-tsaina, fiadanam-po, fiadanam-panahy. Fehiny : mahasambatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...