Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe: "Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro; satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe: "Loza ho anao, ry Kôrôzaina, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy. Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna noho ny hatao aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny afobe ianao, fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy. Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana noho ny hatao aminao."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe: "Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra; fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin’ny rainy, sy ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy; ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony. Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy. Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina, noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina; ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy." Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo, dia niala teo Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony; fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe. Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo. Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo. Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra."
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco