Ilàna fandinihina tsara ny mety ho hevitry ny antso ho an'ny olona iray. Maka bahana ara-potoana tsara ary atao feno ny fiomanana. Katesizy momba ny Fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Fanomanana an'i Maria virijiny ny votoatiny hafatra noentin'ny anjely. Taitra ihany Maria virijiny ary mety nisy tahotra tao anatiny tamin'ny faharenesana ny hafatra. Nangina ary nieritreritra tao am-pony izy nandalina ny momba azy sy izay nolazain'ny anjely. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ny aretina pesta dia efa nisy teto ambonin'ny tany 20 000 taona lasa izay, fa tamin'ny taona 1894 kosa vao fantatra mazava tamin'ny alalan'ny fikarohana nataon'i Dr Alexandre Yersin. Tamin'ny taona 1898 no tafiditra teto Madagasikara ny peste noho ny fidiran'ny olona nararin'ny pesta avy any ivelany tamin'ny alalan'ny sambo...

♦ Tinapaka nandritra ny COPRIES fa ny 04 oktobra izao ny daty fidirana ho an'ny Oniversite... ♦ Tsy mbola hiroso amin'ny fitakiana hetra amin'ireo sekoly tsy miankina ny fanjakàna, hoy ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Hikarakara hetsika fifanohanana sy fifanampiana eny amin'ny Esca Antanimena ny fikambanana Mada-Triso amin'ny sabotsy heriny anio... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...