♦ Mbola mikatso tanteraka ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i  Maninday-Toliara, raha ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpianatra avy any an-toerana... ♦ Tsy voafehy amin'ny asa tanamaro ataon'ny fokonolona intsony ankehitriny ny fifehezana ny afo any Ankarafantsika, hoy ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Miroso amin'ny fampiharana ny lalàna amin'ny fandraràna ireo taxi-moto ny pôlisim-pirenena...

♦ Tokony ho hita mialohan'ny oktobra ny vola atokana amin'ny famonoam-balala eto Madagasikara hisorohana ny mety ho fahasarotan'ny asa... ♦ Tontosa ny sabotsy teo ny famoriam-bahoaka nataon'ny RMDM tao Antsirabe an-tampon-tanàna, nanambaràna ireo fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambe natao teo Antananarivo farany teo... ♦ vonona hiaino ny olan'ireo mpiara-miasa, momba ny fitantanana ny ministera, ny ministry ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak'asa...

♦ Nahazo tombim-pitsaboana lehibe ny any Mahajanga. Notsofina rano sy notokanana ny faran'ny herinandro teo izany foto-drafitrasa izany... ♦ Manaitra ny mpisehatra pôlitika tsy ankanavaka mba hibanjina amin'ny fanatsaràna ny fifidianana ny filohan'ny CFM Maka Alphonse... ♦ Baolina kitra, nirava ady sahala aotra noho aotra teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina, omaly, ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Ekipa Zambianina. Lalao mandroso amin'ny amboaran'ny CAF...

Andriamanitra dia miditra amin'ny tantaran'ny olombelona rehefa misy olana mba hanafaka. Hamantarana ny antso dia mila mahafantatra an'Andriamanitra isika ; ohatra : i Md Piera, nanaraka am-pinoana an'i Jesoa Kristy, na mbola tsy nino aza izy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...