Ny Covid-19 dia valanaretina nahakasika firenena maro ary namoizana aina. Mety hakasika ny taovana rehetra ao anatin'ny olombelona iray ny Covid-19. Misy foana ny takaitra noho ny Covid-19 amin'ny olona izay nolalovany...
♦ Manahy mafy ny hisian'ny fahavoazana goavana amin'ny famokarana sakafo eto Madagasikara ny FAO, noho ny andiam-balala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy, velaran-tany 400 000 Ha no hofendrahina fanafody... ♦ Handray lalao iraisam-pirenena eo amin'ny baolina kitra ny kianja Barea Mahamasina rahampitso, hiadiana ny amboaran'ny CAF... ♦ Fianakaviana an-jatony no kasaina esorina amin'ny taniny any Anosibe-Ifody, distrika Moramanga, vokatry ny ady tany...
♦ Natomboka omaly ny fanamboarana ny RN-6, Ambanja sy Atsiranana. 235 000 000 dolara no hanamborana izany... ♦ Nametraka fanamby hampamiratra an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny fanamafisana ny diplôlmasia ara-toekarena ny ministry ny raharaham-bahiny malagasy raha nihaona tamin'ireo masoivoho vahiny omaly... ♦ Hisy fahatahana ny ampahan-dalana ao antampon-tanànan'Antananarivo mandritra ny roa volana, ho fanoloana fantsona mpitondra ranon'ny JIRAMA...
Masina Maria dia nino tamin'ny andro niantsoan'Andriamanitra azy, na mbola zazavavy aza izy. Ankehitriny dia voafetra ny lalàn'ny fiangonana ny fotoana hirosoana amin'ny fanambadiana kristianina. Masina Maria dia namakafaka tsara vao nankatoa ilay antso izay nampitain'ny anjely taminy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco