♦ Manamarika ny faha-155 taona nivoahan'ny gazety voalohany, ny Gazety Teny Soa i Madagasikara amin'ity. Natomboka omaly ny hetsika fankalazana... ♦ Nanamafy ny fitakiany ny amin'ny hampitsaharana ny fanaratsiana an'Andriamatoa Randrianasolo Brice ireo mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany eto Madagasikara... ♦ Hiakatra fitsaràna ao Afrika atsimo indray ireo malagasy 3 lahy voarohirohy tamin'ny fanondranana antsokosoko volamena maherin'ny 73kg... 

♦ Tokony hotohizana ny fifampidinihina momba ireo nosy malagasy manodidina na ny îles eparses natomboka tamin'ny taona 2019 hoy ny filoha frantsay Emmanuel Macron... ♦ Nitatitra ny asa vitany tamin'ny taona 2020 ny teo anivon'ny Bianco. Nanambara ny tale jeneraly fa nisy nanararaotra ny amehana ara-pahasalamana teo amin'ny kolikoly... ♦ Nanoratra taratasy ho an'ny federasiôna malagasin'ny baolina kitra ny CAF fa tsy azo atrehin'ny mpijery ny lalao ihaonann'i Barea amin'ny Beninois... 

Miteraka hafaliana lalina sy maharitra ny fahatsapana ny filaminana sy  fahitana ny maha-izy azy ny tena. Mihamaivana ny tena rehefa avy nizara ny fiainana : "entan-jaraina mora zaka". Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Sabotsy 28 aogositra 2021 — Herinandro faharaika amby roapolo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 14-30

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...