Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy!" Ary hoy i Maria: "Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko Ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, nampodîny mitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika."

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.

Tamin’izany andro izany, niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany. Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy. Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao".

Tamin’izany andro izany, dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nilaza taminy hoe: "Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona? Valio Aho." Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe: "Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany." Dia izao no navaliny an’i Jesoa: "Tsy fantatray." Ary hoy kosa i Jesoa: "Izaho koa, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao."

♦ Nolaniana nandritra ny filan-kevitry ny ministra notanterahina omaly ny volavolan-dalàna manova ny andininy vitsivitsy ao amin'ny lalàna momba ny fidiram-bola ho an'ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana... ♦ Hitondra ainga vao amin'ny fampianarana ho an'ny oniversite-panjakàna eto Madagasikara ny fahalanian'ny volavolan-dalàna miisa roa, eny amin'ny Senat... ♦ Nasehon'ny Zandary ireo olona miisa 16 mianadahy, nosamborina taorian'ny nahatrarana an'i Del kely...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...