♦ Avy eto Analamanga avokoa ireo 439 tamin'ireo voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus. Niampy 11 ihany koa ireo maty araka ny tatitra omaly... ♦ Nitondra anjara biriky betsaka tamin'ny toe-karem-pirenena ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tamin'ny taona 2020, natratra 177kg ny tahirim-bolamena... ♦ Misy areti-mifindra mahazo ny biby ary mety hifindra amin'ny olombelona any amin'ny faritra atsimo-andrefana... 

Sabotsy 10 avrily 2021 — Sabotsy amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15

♦ Mitaraina ireo mpiasan'ny orinasa Kraomita Malagasy fa misy amin'izy ireo no efa matin'ny Coronavirus, noho ny tsy fisian'ny fiantohana ara-pahasalamana intsony... ♦ Nitondra anjara betsaka tamin'ny toekaream-pirenena ny harena ankibon'ny tany, nampiditra 26.044.000.000Ariary tamin'ny taon-dasa... ♦ Misaona ny fanjakàna britanika, nodiimandry ny Printsy Philip, vadin'ny Mpanjakavavy Elisabeth-II... 

Ny Sorona teo amin'ny Hazofijaliana ihany no antoky ny Famonjena antsika. Andriamanitra no nifidy an'i Maria sy nameno azy ny fahasoavana mba hitondra ny famonjena an'izao tontolo izao.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...