Alarobia 7 aprily 2021 — Alarobia amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35
♦ Mila manamafy ny fitandremana ny kristianina rehetra ato amin'ny diôsezin'Antananarivo, ka hanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra efa nambara hatramin'izay, araka ny hafatra nampitain'ny Arsevekan'Antananarivo...
♦ Nanara-dia ny Faritra Boeny sy Nosy-be ihany koa ny Faritra Analamanga, Atsinanana, Sava, Mikatona tanteraka manomboka anio... ♦ Niverina ao anaty hamehana ara-pahasalamana indray ny tanin'ny repobliakan'i Madagasikara. Hohafainganina ny fahatongavan'ny vaksiny... ♦ Nahatratra 15 ny lavon'ny Coronavirus raha ny fitambaran'ny tatitra tao anatin'ny telo andro farany...
Talata 6 aprily 2021 — Talata amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 11-18
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco