Alakamisy 25 marsa 2021 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

♦ Resin'ny ekipa Etiopianina tamin'ny isa efatra no aotra i Madagasikara, tamin'ny lalao baolina kitra notanterahina ny tolakandro teo. Mbola tsy very fanantenana ny Barea aloha hatreto... ♦ Voafidy androany avokoa ireo solontena efatra avy amin'ireo parlemantera, ho mpikambana ao amin'ny HCC...

Ny valan-javaboary Tsingin'ny Bemara ao Morondava dia misy biby maro  toy ny gidro izay misy karazany 13, ka  ny karazany 03 dia fahita amin'ny alina ary 10 ambiny dia  amin'ny andro mazava. Toerana azo hitsangatsanganana tsara amin'ny alalan'ny lakana ny any Manambolo, misy koa ny zohy ahitàna stalactite sy stalagmite. Any amin'iny faritra iny koa no ahitàna ny fasan'ny vazimba, olombelona voalohany teto amin'ny Nosy... Ny bokiboky dia biby mpihinan-kena manta... 

♦ Afaka adiny efatra no hizotra any Bahir Dar Ethiopia ny lalao ifanandrinan'ny Barea sy ny Antiloppe Etiôpiana, ho fifanintsanana Can 2021... ♦ Miato manomboka anio ny fampianarana ho an'ny sampam-pianarana Siansa eny amin'ny Oniversitea an'Antananarivo. Voalaza ho anton'izany ny fiparitahan'ny Covid-19... ♦ Misaona indray ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry androany maraina i Sammy Rabenirainy, ao amin'ny tarika Lôlô sy ny Tariny... 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...