Tsy velona irery ny olona fa mila fiaraha-monina itomboana ka hahalalany ny tenany. Mamolavola ny fiaraha-monina satria ianarana ny fiainana, Mety tsy ho tsara avokoa izay hita eo amin'ny fiaraha-monina fa izay no ilàna ireo herim-panahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.
♦ Misy mikasa hanodikodina ny raharaham-pitsarana momba ny an'i Nasandratra Valimbavaka izay maty nisy namono tetsy amin'ny kianja basket Bani Ivato. Lavin'ny fianankavian'ny maty ny fikasàna hanao raharaham-pihavanana... ♦ Nitombo indray ireo matin'ny coronavirus, nanamafy etsy ankilany ny tompon'andraikitry ny ministeran'ny fahasalamambahoaka fa mbola tsy tonga eto Madagasikara ny variant Delta... ♦ Tsy mifanentana amin'ny teti-bola azon'ny faritra ny zava-bita any Amoron'i Mania, hoy ny solombavambahoaka voafidy, avy ao...
♦ Mandrahona hitokona ireo mpiasan'ny CTC eto Antananarivo. Manome 48 ora nanomboka omaly izy ireo, handoavana ny tambin-karama 3 volana tsy voaloa... ♦ Manaitra ny rehetra ny KMF/Cnoe fa mbola ao anatin'ny ady amin'ny Covid-19 isika. Tokony hifanaraka amin'ny kabary sy ny fepetra lazaina ny fandraisana andraikitra... ♦ Nandefa taratasy misokatra any amin'ny filoham-pirenena ny fikambanana nasiônalin'ny tantsaha eto Madagasikara ho tohin'ny tsy faneken'izy ireo ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany...
♦ Nitrangàna lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona indray tany amin'ny Lalam-pirenena voalohany tany Miarinarivo omaly maraina : olona 4 no maty 7 naratra... ♦ Mbola mitohy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny paositra malagasy. Milaza ny vonona hihaona amin'ny Ministra tompon'andraikitra izy ireo... ♦ Ho foanana tsikelikely ny fampiasàna mercure amin'ny fitrandrahana volamena eto Madagasikara, noho ny voka-dratsy ara-pahasalamana sy tontolo iainana aterak'izany...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco