Manome ohatra maro ho antsika ny fiainan'ny olomasina, izay hanentanana antsika ny hanahaka azy ireny. Noho izany, dia tsy maintsy mamantatra ny momba ny hatsaram-panahin'izy ireo isika mba hahafahantsika maka tahaka azy sy mitia azy manokana.
Zary faneken'Andriamanitra azy ny faneken"i Md Josefa an'Andriamanitra. Nanaiky ny hanabe ny Zanak'Andriamanitra izy, ary nankato azy tao amin'ny ankohonany io Zanak'Andriamanitra io.
Ao anatin'ny fihotazana lavanila ny faritra sasany mpamokatra izany amin'izao fotoana izao. Nampanarahana amin'ny teknikam-pambolena ny daty fihotazana lavanila eto Madagasikara...
♦ Miantso ny fanjakana hijery akaiky ny olan'izy ireo ny tompon'ny orinasa nanao ny fikojakojana ny lalana manerana ny nosy. Mbola tsy naharay ny vola tambin'ny asa izy ireo hatramin'izao... ♦ Eo am-piandrasana ny vokatry ny fanadihadiana parlemantera momba ny raharahan'ny orinasa Sofitrans, ny mpiasa ao aminy ankehitriny. Izy ireo izay miaina fahasahiranana noho ny fampiatoana ny sidina...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco