♦ Nitondra fanazavàna momba ny toerana eny Soamandrakizay omaly ny fiangonana katolika, manoloana ny hisian'ny hetsika politika eny amin'iny  faritra iny... ♦ Miantso ny hanangànana governemanta vaovao ho an'ny amin'ny fanovàna ny antoko MFM, ho famahàna ny olana eto amin'ny firenena... ♦ Hahazo torolalana nomerika amin'ny alalan'ny fampiasàna tablette ny kôlejy sy ny lisea amin'ny faritra manerana ny nosy. Tanora 50.000 isa no kendrena hisitraka izany...

Talata 2 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12

♦ Arahanao ato amin'izao vaovao izao ny fanazava'ny Fiangonana Katôlika manoloana ny fivoizana amin'ny hisian'ny hetsika eny Soamandrakizay... ♦ Tolo-kevitry ny antoko MFM amin'izao raharaham-pirenana izao ny fananganana governemanta manana fahefana feno ary hanatanteraka andraikitra mazava... ♦ Mbola tsy mihevitra ny hanakatona sekoly any amin'ireo toerana ahitana trangana Coronavirus kosa ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena...

♦ Miverina tsikelikely amin'ny laoniny  ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Toliara taorian'ny zava-nitranga tamin'ny herinandro. Tsy maintsy voaloa ny vatsim-pianarana... ♦ Manameloka ny herisetra atao amin'ny mpiasan'ny fahasalamana ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Voavaha ankehitriny ny olana momba ny fambolem-bary tsy nahafahana nampiakatra araka ny tokony ho izy ny vokatra ho an'ny ety anivon-tany noho ny tsy fahampian'ny phosphor...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...