Rehefa miakatra be ny fatran'ny siramamy ao anatin'ny ra dia ny lalan-dra no mizaka azy voalohany. Ny lalan-dra madinika no tena voakasika indrindra, ohatra ny amin'ny maso  izay mety hitarika areti-maso, katarakta ary mety ahajamba mihitsy aza. Raha ny amin'ny retsika kosa no hiantefan'ilay diabeta dia lasa tsy mandre intsony. Maro ny aretina mety ho vokatry ny diabeta : aretin'ny voa, tosi-dra... 

♦ Nolavin'ny prefen'Antananarivo ny fangatahan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijatovo anio... ♦ Varavarana iray fivoahana sy fidiran'ny olona an-tsokosoko ary famoahana an-tsokosoko ny harem-pirenena ny ranomasina ka tsy maintsy averina ny hasin'ny tafika an-dranomasina malagasy... ♦ Nafindra ary notanana any amin'ny fonja miafina ilay lehiben'ny mpanohitra russe Alexeï Navalny... 

Sabotsy 27 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

♦ Nolavin'ny Prefen'Antananarivo ny fikasan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijato rahampitso sabotsy tontolo andro... ♦ Handray fepetra, ary nilaza androany ny EMMONAT fa tsy matahotra ny hisambotra na iza na iza manoloana ny fikasana hamory vahoaka amin'ny toerana tsy nahazoana alalana...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...