Alakamisy 25 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 7-12

♦ Azo atao tsara ny mampisambotra ireo olona any ivelany nanao fandikan-dalana, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ny firenena roa tonta na ny samy fitsarana, hoy ny mpitandro ny filaminana na ny EMMONAT androany... ♦ Ny amin'ilay fandorana olana tany Betroka kosa, olona enina no efa voasambotra, ary hiakatra fitsarana tsy ho ela izy ireo...

♦ Tsy misy mampanahy ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ny mpamatsy vola vahiny na teo aza ny taratasy filazam-baovao avy amin'ny banky iraisam-pirenena, nivoaka antsokosoko iny taratasy iny... ♦ Tokony sarahana ho ministera roa ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Fanambaran'ny FIAVAMA... ♦ Horaisin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manomboka izao ny fanadiovana sy ny fanesoranany ny fako ao an-drenivohitra. Nofoanana ny SAMVA ka ny SMA no hiantsoroka izany...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...