Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo, aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa."
♦ Manentana ny olom-pirenena tsy hamboly korontana fa hanaja ny tany tan-dalàna ny mpitandro filaminana. Hiroso amin'ny fisamborana an'ireo mpanentana roalahy ao amin'ny miara-manonja izy ireo... ♦ Mitaraina ny orinasa madinika sy salatsalany an-jatony misehatra amin'ny fikojakojana ny lalana fa tsy mbola misy hatramin'izao ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena eto Madagasikara...
Ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra no fomba afahana miala amin' ny fidorohana zava-mahadomelina. (24-02-2021)
♦ Nanazava ny andraikitr'izy ireo momba ny fandikan-dalana ataon'ny olom-pirenena ny mpitarika ny EMMONAT. Mampihatra ny lalana fa tsy miandany na manao pôlitika ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran'izy ireo... ♦ Nanolotra ny antotantaratasy mirakitra ny famotsoran-keloka ho an'ireo misitraka izany teto amin'ny Faritanin'Antananarivo ny CFM...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco