♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...
♦ Tsy hanakana ny fizoran'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM, raha nanao fanambarana. Havadika ho lalana hiarovana ny firenena izany hoy izy ireo... ♦ Mitaky ny hamerenana ny vola nesorina tamin'ny tambin-karamany hividianana 4x4 ireo solombavambahoaka sasany. Nampiaka-peo momba io resaka io Andriamatoa Pety Rakotoniaina, avy amin'ny Distrika Ikalamavony... ♦ Mametra-panontaniana amin'ny fitondràna ny Randrana Sendikaly, manoloana ny filazàna fa tsara tantana ny CNaPs ankehitriny. Efa tafaverina ve ireo volan'ny mpiasa nampindramina tao, ho ity vondrona sendikà ity?... ♦ Nitrangàna horohoron-tany in-droa misesy tany amin'ny faritra atsimon'i Cuba omaly...
♦ Nofaranana omaly ny fankalazàna ny jobily faha-50 taona niorenan'ny Ekipa "Ankalazao ny Tompo"... ♦ Tsy hisy intsony ny delestazy eto Antananarivo afaka herintaona. Nanazava ny zava-misy sy nitondra ireo vahaolana hamahàna izany ny filoham-pirenena omaly, tao amin'ny haino aman-jerim-panjakàna... ♦ Polisy miisa 4 eo anivon'ny FIP namita iraka no notazomin'ny fokonolona ankeriny tany amin'ny distrikan'i Sakaraha. Nisy olona roa maty, vokatry ny fifandonana tamin'ity raharaha ity... ♦ Olona 30 farafahakeliny no namoy ny ainy tatsy Mozambika, vokatry ny savorovoro nateraky ny famoahana voka-pifidianana. Raikitra ny fihetseham-bahoaka hanoherana izany...
Ny vavaka dia ilaina amin'ny fiainana ara-panahy satria tsy misy fitomboana raha tsy misy sakafo, ary ny vavaka no sakafo tena ilaina amin'ny fiainana ara-panahy. Tsy fononteny eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny vavaka fa tokony ho fototra iorenany ka izay no tsy maintsy haharitra, manaraka ny toro-hevitr'i Jesoa hoe : mivavaha ka aza mitsahatra. Mba hivavahana tsara dia fepetra fototra ny fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco