Mahavita fahagagana ny vavaka, manampy antsika hitia ny hafa ny vavaka. Ny mivavaka ao anatin'ireo fisehoan-javatra isan'andro sy isaky ny mihetsika dia iray amin'ireo zava-miafin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. Ny endriky ny vavaka rehetra no mety ho lalivay ampitahana ny Fanjakan'Andriamanitra ; mivavaha ho an'ny fahavalonareo, tsy ny havana na izay tiana ihany no hanandratana vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

10 nôvambra 2024 — Alahady Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)

Alahady faha-32 mandavantaona — b : izay tia, mahafoy ; misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny mpitondra tena dia ireo vehivavy niangaran'ny vintana fa sady mamalona ny tenany no mamelona ny zanany satria tsy eo intsony ny raim-pianakaviana, ka izay foin'ny olona no hivelomany. Ireny sokajin'olona ireny dia manao asa mitondra aina, miasa mangina. Mety ho kely eo amin'ny fiaraha-monina ny zava-bitan'ireny olona ireny fa lehibe eo anatrehan'Andriamanitra satria manolotra amim-pitiavana sy azo ambara fa ny fiainany manontolo no omeny. Ny hoe "lazaiko marina" dia avy amin'ny teny hoe "AMEN". Ny fampianaran'i Jesoa dia marina tsy azo doifina.

Ny tsy fahadiovan'ny sakafo hoanintsika ka misy ilay kankana "cysticerque", izay mirefy 2 hatramin'ny 8 metatra, no miteraka ilay aretina "cysticercose". Rehefa tafiditra ao amin'ny vatana ny "cysticerque" dia mamonjy ny atidoha, ny maso sy ny taova na faritra hafa amin'ny vatana. Ny tay miparitaka sy ny fampiasana zezika avy amin'ny kisoa na ny loto mipetaka amin'ny sakafo na amin'ny alalan'ny tanàna no mampimparika ny "cysticercque"... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...