• Tsy ho afa-bela izay nanapoizina ny sakafo nitera-doza teny amin'ny sampanana Imerikasinina Ambohimalaza. Misy mpisompatra koa ao amin'ny JIRAMA, hoy ny Filoha Andry Rajoelina... • Mametra-panontaniana sy miahiahy amin'ny fisian'ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra sy ny mpitondra fanjakana, ny Sendika Mahaleo tena eo anivon'ity Kaominina ity... • Efa mihatra ny karatra fahazoan-dalana elektronika ho an'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany...

20 jona — I Masindahy Silvère no papa faha-58. Teraka tao Frosinone tao Campanie i Silvère, zanak'i Hormisdas. Voafidy ho papa ny 01 jona 536 izy, ary napetraka teo amin'ny Fiketrahana Masina ny 08 jona 536. Nanao ny andraikitra naha papa hatramin'ny 11 nôvambra 537 i Silvère. 19 ireo eveka nohamasininy nandritra izany naha papa azy izany, 13 ny pretra ary 5 ny diakra nametrahany tanana.

Fandraharahana ao amin'ny Eglizy ny maha pretra ; fandraharahana najoron'Andriamanitra ka mahatontosa ny ambaratonga samihafa. Ambaratonga tsy mitovy amin'ny eveka ny pretra fa eo ambaniny nanankinana fahatokisana amin'ny lafiny maro : fampianarana, fanamasinana, fitantanana, fitsinjarana ny fanompoana. Ny Pretra dia Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Hiresaka momba ny raharaham-pirenena ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana anio ny Filoham-pirenena. Andrasana indray izay ho ambarany momba ny olana ara-tsosialy iainan'ny vahoaka ankehitriny... • Hovana ho “électronique” manomboka izao ny karatra fahazoan-dalana na “Permis minier” havoakan'ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny tany. Nampahafantarina androany ny momba izany... • Tombanana hivoaka amin'ny faran'ity herinandro ity na ny voalohandohan'ny herinandro ho avy io ny voka-panadinana CEPE. Mitaraina ireo mpampianatra fa nahena ny isan'ireo mikirakira izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...