Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.

Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hoampiasaina avokoa ireo foibe famokarana herinaratra ao Ambohimanambola na dia mandany volabe aza izany hoy ny Filoham-pirenena raha nitsidika teny an-toerana izy omaly. Hamahana ny olan'ny delestazy amin'izao fotoana izao no tanjona... ♦ Fototra mahafaty momoka ny tolom-bahoaka teto Madagasikara ny tsy fanajàn'ny mpanao pôlitika ny hetaheta sy ny safidim-bahoaka hoy Profesora Ralison Roger. Manampy trotraka ny fitsabahan'ny any ivelany ny raharaham-pirenena... ♦ Miantraika lalina any amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivo-doza mahery vaika sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa... ♦ Manantena ny hiaton'ny ady mialohan'ny 5 novambra izao ny PM any Liban...

♦ Ahena hatrany amin'ny 80% ny délestage eto Madagasikara ato anatin'ny fotoana fohy, ary ho foana tanteraka izany amin'ny taona ho avy, hoy ny Filohan'ny Repoblika, androany... ♦ Miantraika lalina amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivodoza mahery vaika, sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa eto amintsika... ♦ Malaina mametraka ny mangarahara amin'ny teti-bolam-panjakana ny tompon'andraikitra misahana izany eto amintsika, hoy ny Rohy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...