Ny olom-pirenena vanona dia manana hambom-po amin'ny fitiavana ny tanindrazana, ary mirehareha amin'ny maha malagasy. Manana adidy sy andraikitra amin'ny fanabeazana, ny olona misehatra amin'ny haino vaky jery satria izy ireo dia manana anjara amin'ny famolavolana ny toe-tsaina. Hery fahaefatra lehibe ho an'ny firenena iray ny fitaovana sy ny serasera. Adidin'ny haino vaky jery ny manentana ny olom-pirenena handeha hifidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nitondra fanazavana momba ilay fangatahana didim-pitsaràna hafahana misoratra anatin'ny lisitry ny mpifidy na ilay antsoina hoe "ordonnance" ny mpampakatenin'ny CENI Soava Andriamarotafika... ♦ Hihatra ny fepetra vonjimaika mba hisorohana ny fanakanana ireo mpanao gazety mandrakotra vaovao eny amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena, mila mitondra ny karatra maha mpanao gazety matianina na karatra avy amin'ny orinasa hiasany ny mpanao gazety... ♦ Tra-tehaky ny polisim-pirenena tany Sambava ny lehilahy iray 34 taona mpisoloky amin'ny resaka fandefasana olona hiasa any Canada, an-jatony no efa voasolokiny ary vola hatrany amin'ny 200 tapitrisa ariary no efa lasany...
♦ Mbola mafana ny tranga fakana an-keriny any amin'ny Distrika'i Tsaratanàna. Manao antso amin'ny fampitomboana isa ireo mpitandro ny filaminana, ny Solombavam-bahoka any an-toerana... ♦ Hihatra ny fepetra vonjy maika hisorohana ny fanakanana ireo mpanao gazety handrakotra vaovao eny amin'ny Antenimieram-pirenena, araka ny fihaonana mivantana teo amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena sy ny Filohan'ny OJM... ♦ Misy ireo ampahan-dàlana tapaka ao an-drenivohitra noho ny asa fanamboarana. Isan'izany ny eny Ankatso-Ambanidia sy eny amin'ny Vatobe 67Ha-Andohatapenaka...
♦ Namaly ny tsikera natao tamin'ny filohan'ny CENI ny tale kabinetrany. Diso fipetraka hoy Andriamatoa Fanahimanana Toaray ny tsikera natao tamin'ny nanatrehany ny lanonana fametrahana sambohady ho an'ny solombavambahoaka tany amin'ny Faritanin'Antsiranana... ♦ Nanomboka omaly ny hetsika vaksiny faobe manerana ny nosy. Ho an'ny kaominina Imerin'Imady Ambositra tsy misy intsony ny kitrotro noho ny fahazotoan'ny reny mitondra ny zanany atao vaksiny... ♦ Isan'ny resahana amin'ireo famelaberana ny voka-pikarohana samihafa mandritra ny fikaonandoha siantifika iraisam-pirenena tanterahana eny Ankatso ny antony mampahantra an'i Madagasikara, anefa firenena ambara fa manana harena voajanahary maro...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco