29 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)

• Hivoaka amin'ny 25 avrily 2025, raha tsy misy ny fiovana, ny didim-pitsarana momba ny fampiakarana ny raharaha nanamelohana ny mpitarika ny Randrana Sendikaly Barson Rakotomanga sy ny Filohan'ny Seces Sampana Antananarivo, Profesora Sammy Grégoire... • Hisy tetikasa lehibe, hovatsian'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena vola, ao an-drenivohitra momba ny fanamboarana ny fantsona fanariana rano. Voakasik'izany ny toerana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dalana, ka antony tsy maintsy hamindrana azy ireo, hoy ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa... • Nanambara androany ny Ben'ny Tananan'Ambohidratrimo fa tsy nisy fisamborana sy fampidirana am-ponja azy. Tetika politika nataon'ny mpifaninana taminy resy tamin'ny fifidianana, hanilihana azy ireny, araka ny fanazavany...

• Tanterahan'ny Eglizy maneran-tany anio hariva sy rahampitso ny 24 ora ho an'ny Tompo... • Miandry antsika isan'andro Andriamanitra be famindram-po, hoy ny fampianaran'ny Ray masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Mila atao laharam-pahamehana ny fanabeazana hanafoanana ny fanandevozana, hoy ny eo anivon'ny Fiketrahana Masina...

Manatevina ny fifehezan’ireo tantsaha mpiompy tantely ny teknika momba izany ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly. Nisitraka fiofanana nokarakarainy ireo tantsaha anatin’ny vovonam-pikambanana miisa telo ato amin’ny Faritra Analamanga. Fampiofanana tafiditra anatin’ny tetik’asa FFF FAO, izay miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra fa mandray anjara betsaka amin’izay asa izay ny tantely. Amporosihana noho izany ireo tantsaha ireo hiompy tantely sy hivelatra amin’izay fihariana izay hoy Andriamatoa Elysé RAHARISON, tompon’andraikitra ara-teknika ao amin’ny Tranoben’ny Tantsaha...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...