Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 1, 13-15 ; 2, 23-25)

Ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao.

Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona.
Noarìny ho amin’ny fiainana ny zavatra rehetra, ka mahasoa ny zava-boaarin’izao tontolo izao;
tsy misy foto-pahalevonana ao aminy, ary tsy mba manjaka eto ambonin’ny tany ny fahafatesana.
Satria tsy mety maty ny fahamarinana.
Noarìn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin’ny Tenany:
Fa ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao:
dia hanandrana izany, ry zareo izay azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a ary 13b.

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy.

na:

Te hidera ny Tompo aho e, hankalaza Azy mandrakizay.

Izaho midera ny Tompo nanafaka ahy:
tsy navelany hifaly ny rafiko.
Ny fanahiko efa tany an-tSeoly
dia nakarinao, ry Tompo ô!
izaho efa tany am-pasana
dia novelominao indray!

Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka;
isaory ny Anarany masina.
Mandalo ihany ny hatezerany,
ny fanambinany kosa maharitra:
hariva aho nitomany,
fa nony maraina, velon-kira.

Tompo ô, aoka Ianao handreny,
miantrà re, tongava hamonjy.
Dia navadikao ho dihy
ilay hira fitarainako;
Ry Tompo Andriamanitro ô.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 8, 7. 9. 13-15)

Ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’ireo havanareo mahantra.

Ry kristianina havana,
aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra,
dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana
na amin’inona na amin’inona, ary amin’ny fitiavana anay,
no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo,
mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.
Satria tsy mety raha ny sasany, alàm-pahoriana, ianareo, tra-pahoriana;
fa ny fitoviana ihany e.
Amin’izao fotoana izao aloha,
ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’izy ireo;
dia toy izany koa, ny ambim-bavan’izy ireo no hameno ny tsy anananareo kosa;
ary amin’izany dia hisy fitoviana;
araka ny voasoratra hoe:
Ny nanangona be tsy nanana ambiny;
ny nanangona kely, tsy nanan-tsy ampy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-24. 35b-43)

Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.

Tamin’izany andro izany,
dia niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka nony tafita,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:

“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy”.

Dia nandeha niaraka taminy Izy
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.

Dia tonga kosa ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:

“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”

Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:

“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany”.

Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy
afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahan'i Jakôba.

Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe:

“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory”.

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:

“Talità, komy”

izany hoe:

“Ry zazavavy, hoy Aho aminao: mitsangàna”.

Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra,
fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa noraràny mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.

Tamin’izany andro izany,
dia niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka nony tafita,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:

“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy”.

Dia nandeha niaraka taminy Izy
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.

Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona,
izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpitsabo maro
sy nandany ny fananany rehetra,
nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
Nony nahare ny amin’i Jesoa izy,
dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony,
fa hoy izy:

“Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho”.

Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny,
ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny Tenany,
ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe:

“Iza no nanendry ny fitafiako?”

Ary hoy ny mpianany taminy:

“Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao
ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?”

Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy,
ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy,
dia nilaza ny marina rehetra.
Ary hoy Izy taminy:

“Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao;
mandehana amim-piadanana ary sitràna amin’ny aretinao”.

Raha mbola niteny i Jesoa,
dia tonga kosa ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:

“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”

Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:

“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany”.

Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy
afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahan'i Jakôba.

Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe:

“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory”.

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:

“Talità, komy”

izany hoe:

“Ry zazavavy, hoy Aho aminao: mitsangàna”.

Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra,
fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa noraràny mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny fotoana hamoahan'ny HCC ny voka-pifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey lasa teo... ♦ Hisy ny fiovàna amin'ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Na izany aza tsy hihoatra ny 200 Ariary isaky ny litatra, ny mety hiakarany na hidinan'izany vidin-tsolika izay... ♦ Hiroso amin'ny fanasaziana ireo mpanjono mbola minia mampiasa haratobe ny tompon'andraikitry ny jono any amin'ny Faritra Anôsy... ♦ Niverina indray ny savorovoro sy korontana ao Nouvelle Calédonie. Nisy ireo trano nirehitra alina....

Andriamanitra no vonjintsika sy arontsika ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra! Ho an'ny olomarina dia tsy hakasika azy ireny akory ny fahafatesana, ho an'ny tsara dia tsy hakasika azy ny ratsy. Ny fisokafana amin'ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fahasoavany no mampandresy ny olona sy mampiadana antsika. Azo oharina amin'ilay sambo kely ny fiainantsika ka ny tafio-drivotra no endrika hisehoan'ireo olana maro samihafa, ka Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina ihany no afaka mampitony izany... Mila matoky azy Andriamanitra isika, ary mitoky amim-pinoana...

♦Nahomby ny tetik'asa CASEF nandritra ny 7 taona niasany tamin'ny Faritra 16 teto Madagasikara... ♦ Efa miomana amin'ny fiatrehana ny fivoriana an-tampony momba ny "diniky ny ho avy" atao any Etazonia ny ministeran'ny raharaham-bahiny... ♦ Tsy ataon'ny fitondram-panjakàna Malagasy laharam-pahamehana ny fiarovana ny zon'ny ankizy, hoy ny Vovonan'ny Firaisamonim-pirenena misahana izany... ♦ Nandefa miaramila fanampiny any amin'ny faritra Tchassiv mba iarovana ity tanàna stratejika, any amin'ny sisin-tany Atsinanana manakaiky ny tanànan'i Dombass ity ny tafika Okraniana... ♦ Niharan'ny tifitra ny biraon'ny vokovoko mena iraisam-pirenena tany Gaza, omaly tolak'andro ; 22 isa no maty ary 45 naratra...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...