Ny firenena izay manaiky ny fanalan-jaza ho ara-dalàna dia tsy mba firenena hampianatra ny olona ao aminy hitia, fa manome lanja ny herisetra mba hahazahoana izay ilainy. Izany no mahatonga ny fanalan-jaza ho fitaovana iray mamotika ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana eto an-tany. Na mbola tsy äry tongotra sy tanana azy ny atody ao ankibon'ny vehivavy dia efa aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
8 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
♦ Hitombo ny isan'ireo Solombavam-bahoaka handrafitra ny Antenimieram-pirenena. Misy ny kajikajy pôlitika ataon'ny fitondrana amin'izany, hoy ireo mpisehatra pôlitika sasantsasany... ♦ Nanamafy ny hirosoana amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ho an'ireo mpanolana zaza ny Filoham-pirenena, androany... ♦ Nitombo avo enina heny, raha mitaha tamin'ny telo taona lasa, ireo Malagasy manao fizahan-tany anatiny. Tafakatra 63.000 ny isan'izy ireo tamin'ny taona 2023, araka ny antontan'isan'ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahan-tany...
♦ Hitohy hatramin'ny rahampitso ny oram-baratra amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Distrika sasany ao amin'ny Faritra Anosy, Atsimo-Andrefana ary Menabe... ♦ Nampitomboana iray ka lasa 120 ny isan'ny disitrika eto Madagasikara. Natsangana ho distrika nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ny ao Antanimora-Atsimo... ♦ Lesoka amin'ny fanomezana traik'efa ny tanora eto amintsika hoy nySendikan'ny Indostria eto Madagasikara ny tsy fahafahan'ny orinasa amin'ny sehatra tsy miankina mandray tanora manao fizaran'asa... ♦ Miantso ny fampisaharana haingana ny ady any Gaza ny fanjakàna any Chine...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco