♦ Potika ny hasin'ny antoko pôlitika amin'ity fifidianana solombavambahoaka 2024 ity hoy ny antoko MFM. Voatery nitambatra ireo tsy mitovy foto-kevitra na ilay antsoina hoe "alliance contre nature"... ♦ Mihetsika indray ny mpianatry ny Polytechnique eny Vontovorona, mitaky vatsim-pianarana sy fanatsaràna foto-drafitr'asa. Raikitra ny fifandonan'izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana ny maraina teo... ♦ Miverina indray ny delestazy eto amintsika. Tsy ampy ny famatsiana herinaratra amin'ny tamba-jotra iraisan'Antananarivo, noho ny fiatoana milina iray any Andekaleka... ♦ Niharan'ny tifitra misilin'ny Rosiana indray ny tao Odessa, any atsimo andrefan'i ukraine, omaly ; olona 5isa no namoy ny ainy ary 23 hafa naratra...

♦ Mbola tsy manambana mivantana an'i Madagasikara ilay andro ratsy any avaratra andrefan'ny nosy. Tany amin'ny 750 km avaratra somary avaratra andrefana atsinanana no nisy ny foibeny omaly tolak'andro... ♦ Mitaky ny amoahana am-ponja ny kandidà Mahavitarà Sylvestre ny fikambanan'ny Zanaka Anteisaka monina eto Antananarivo. Manome 48 ora ny fitondram-panjakàna izy ireo... ♦ Lasa asa fandraharahàna no atao amin'ilay foto-drafitr'asa fivarotan-drano eny Analakely hoy ny mpanolontsain'ny tanàna, Hilda Ravelonahiana. Nambarany fa tsy ara-dalàna izao ataon'ny kaominina Antananarivo izao... ♦ Nametra-pialàna ny Praiministra any Ecosse, Humza Yousaf, noho ny mety hanonganàna azy...

♦ Nanaitra ny Filohan'ny UCTU ny feo mandeha amin'ny rafitra iray eo ambany fiahian'ny ATT, hisahana miaraka ny fitaterana ao an-drenivohitra sy ny manodidina an'Antananarivo, izay tafiditra amin'ny fanitarana ny tanàn'Antananarivo ao anatin'ilay tetikasa Grand Tanà... ♦ Tsy hamaha ny olan'ny mponin'Antananarivo ilay fotodrafitrasa fivarotan-dranon'ny Kaominina Antananarivo, eny Analakely, hoy ny Mpanolotsain'ny tanàna Hilda Ravelonahiana...

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...