♦ Hiaka-dapa indray, manomboka amin'ny alatsinainy 29 janoary 2024, ny Loholona sy ny Solombavam-bahoaka. Fivoriana tsy ara-potoana hanoloran'ny Governemanta ny fanatanterahana ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana... ♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny masom-boly apemba sy ny voanjo ary ny bajiry ny Governemanta Amerikana. Faritra miisa enina eto amin'ny nosy no hanatanterahana izany, amin'ny alalan'ny tetikasa Apemba...
Efa nisafidy marina ve isika mba hisian'ny fampandrosoana sy ny fahatsaram-piainana? Ny safidy dia miainga amin'ny isam-batan'olona: izany hoe ny olom-pirenena tsirairay dia manana adidy handray an-tanana ny fampandrosoana ny firenana, eo amin'ny sehatra misy azy avy.
♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hohamasinina ho Eveka ao amin'izany Diôsezy izany amin'ny alahady 28 janoary 2024... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana manaraka amin'ity taona ity, ny antoko MMM. Mametraka fepetra kosa anefa izy ireo momba izany... ♦ Mandry tsy lavo loha tanteraka ny mponina ao amin'ny Distrikan'Ankazobe, ato amin'ny Faritra Analamanga, manoloana ny fanafihan-dahalo mahery vaika...
♦ Olona efatra, izay vehivavy telo sy mpitandrina iray, no mbola eo am-pelatanan'ny dahalo mpaka an-keriny, ao amin'ny Distrikan'Ankazobe... ♦ Nalefa teny Tsiafahy ilay mpamily taxibe nahafaty mpitondra moto teny Mahamasina, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana androany... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana ny antoko MMM, saingy manamafy ireo fepetra takiany, toy ny fanovana ny rafitra mpikarakara ny fifidianana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco