♦ Tafakatra F10 ireo olona maty vokatry ny orambe nikija tany amin'ny Distrikan'Ikongo omaly alahady araka ny tatitry ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunelle, androany... ♦ Tratran'ny zandary tany Toamasina androany ny vary simba 3 kaontenera izay saika ho diovina any Mahajanga... ♦ Niverina an-tsekoly nanomboka androany ny mpianatra rehefa avy niatrika fialan-tsasatra... ♦ Maherin'ny 160 hatramin'izao ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny horohoron-tany nitranga tany Japon ny fiandohan'ity taona ity...

♦ Andalam-pandinihana ankehitriny ny fanovàna ny fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana. Mitarika izany ny Ministeran'ny Fitsaràna... ♦ Mila hamafisina ny fitandroana ny filaminana amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy raha tiana ho tratra ny fanamby napetraka amin'ny fizahan-tany eto Madagasikara. Efa miarindoha tsikelikely mantsy ity sehatra ity taorian'ny fandalovan'ny Covid... ♦ Nitohy tao amin'ny distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny ny fizaràna hanam-pamokarana ataon'ny Mnisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an'ny tantsaha, tohana atao amin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA... ♦ Hivahiny any Arabie Saoudite sy Israel anio hariva ny lehiben'ny diplômasia amerikana Antony Bliken, mikasika ny ady "israely-palestina"...

♦ Mila fihaonan'ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fampiakarana ny saran-dalàna, isan'izany ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa hoy ny filohan'ny PMH, Andry Vola Razafindralambo...  ♦ Hiatrika ny tapany fahatelo amin'ny taom-pianarana indray ny mpianatra rehetra manerana ny nosy manomboka androany. Misedra olana amin'ny fanarahana ny fianarana nefa ireo mpianatra any amin'ny toerana lavitra andriana amin'ny fotoam-pahavaratra toa izao... ♦ Mila paik'ady matotra ny fananganana firenena matanjaka sy vanona hoy ny filohan'ny antoko TIM, Marc Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Telo volana omaly ny ady eo amin'ny Hamas Palestiniana sy ny tafika Israeliana...

Izao tontolo izao no hirin'Andriamanitra ho fianakaviany. Ity alahady ity dia hankalazana manetriketrika ny nisehoan'ny Tompo ho amin'ny olombelona rehetra, ny famangian'ireo Majy an'i Jesoa Mesia, voateraka notantarain'ny Evanjely. Ny Majy dia tsy isan'ny Jody ary tsy mahafantatra ny faminaniana, sokajiana fa avy amin'ny hafa firenena, azo ambara anefa fa mpanjakan'ny tsy mpino sy ny mpanompo sampy. Toa an'i Abrahama ny Majy izay nantsoin'ny Tompo hiala amin'ny taniny ho any amin'ny tany nampanantenaina ho azy izay nentanin'ny finoana. Raha te hahita sy hihaona amin'ny Tompo isika dia mila mandeha lavitra ombam-pinoana, finiavana, herimpo... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...