22 desambra — Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Masindahy Flavien, préfet de Rome tamin'ny andron'ny amperora Julien izy io. Ireo amperora kristianina dia nankasitraka ny fahendren'ity olomasina ity ka nahatonga azy ireo nanome andraikitra lehibe tao an-tanana.
Bokin’i Izaia Mpaminany 49, 3. 5-6
Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamiko:
“Mpanompoko ianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako”.
Ary ankehitriny miteny ny Tompo,
Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba ho mpanompony,
hampody an’i Jakôba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.
— Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko.
— Hoy Izy:
“Mbola zavatra kely foana ny maha-mpanompoko anao,
hanangana ny firenen’i Jakôba indray,
sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;
fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,
mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 8b-9. 10
Niandry ny Tompo aho ka niandry,
niondrika Izy, nihaino talaho,
hira vao no nataony teo am-bavako,
fiderana an’ilay Tompontsika.
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra:
ny sofiko manko nosokafanao.
Tsy misy ilainao mihitsy
izay sorona dorana sy fanonerana;
ka hoy aho hoe: Inty aho tamy.
Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy:
ny manao ny sitrakao no mamiko;
ny lalànao, ry Tompo,
no ato am-poko.
Ny fahamarinanao, ry Tompo,
notorîko tamin’ny fiangonana;
ny molotro tsy nakomboko:
fantatrao tsara izany.
Fiantombohan’ny taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 1-3
Izaho Paoly
voaantso ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy
noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Sôstena rahalahy,
dia mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty,
dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy,
olona voaantso sady masina mbamin’izay rehetra
miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika,
na aiza na aiza misy azy:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika,
ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 1, 29-34
Tamin’izany andro izany,
dia nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany
ka nanao hoe:
“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra,
indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Izy no ilay nantsoiko hoe:Misy lehilahy avy ao aoriako,
sy efa tonga eo alohako,
satria talohako Izy.
Ary izaho tsy nahalala Azy;
fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely
no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”.
Ary nilaza marina i Joany nanao hoe:
“Efa hitako ny Fanahy Masina
nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala,
ka nitoetra teo amboniny.
Ary izaho tsy nahalala Azy,
fa Izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano
no nilaza tamiko hoe:‘Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina’.
Ary nahita aho ka milaza marina
fa Izy no Zanak’Andriamanitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 12-16
Ry kristianina havana,
velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy,
ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary
eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe
izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka
ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika
tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika
amin’ny andro ilantsika izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 18, 8. 9. 10. 15
Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana
samy rariny avokoa.
Ho sitraka eo anoloanao anie
ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko,
ry ilay Mpanavotra ahy.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 13-17
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe
nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:
“Andeha hanaraka Ahy.”
Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana
tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Nahoana ny Mpampianatrareo
no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”
Raha nahare izany i Jesoa,
dia nanao taminy hoe:
“Tsy ny finaritra no mila dokotera,
fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho,
fa ny mpanota.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
21 desambra — Teraka ny 8 mey 1521 tao Nimègue, Pays-Bas, i Pierre Canisius. Pierre Kanis no anarany fa antsoina koa izy hoe Canisius satria mitovy ihany ny Kanis sy ny Canisius. Jacob Kanis no rainy ary i Ægidia van Houweningen no reniny. Mpanan-karena tao an-tanana ireo ray aman-dreniny ireo. Fotoana fohy tao aorian'ny nahaterahan'i Pierre no nodimandry ny reniny.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco