05 desambra — Teraka ny 28 mey 1856 tao Lu Monferrato i Philippe Rinaldi. Teo amin'ny faha iraika amby roapolo taonany izy no tafaraka tamin'i Don Bosco. Rehefa nohamasinina ho pretra izy dia nomena andraikitra ho mpanabe ireo tanora miofana ho salezianina.
04 desambra — Jean Mansour no anaran'i Jean Damascène, niaina tamin'ny taonjato fahafito sy fahavalo izy io. Fianakaviana andriana sady kristianina no nipoirany, ary tany Damas, Syrie izy no teraka, ka izay no nahatonga ny fanampin'anarany hoe Damascène.
03 desambra — Teraka tao Navarre ny 07 aprily 1506 i François Xavier. Francisco de Jasso y Azpilicueta no anarany. Nanana lapa ny rainy Juan de Jasso. Avy amin'ny fianakaviana tao Basse-Navarre izy. Ny reniny kosa, María de Azpilicueta, avy amin'ny fianakaviana tao Baztan.
♦ Hotanterahana ny 12 febroary 2023 ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hankalazaina ny 15 janoary 2023 ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao amin'ny Diosezin'Ambanja... ♦ Manentana ny kristianina maneran-tany, ny Papa François, amin'ity volana desambra ity, mba hahitan'ny sampan-draharaha miahy ny maha olona, olona vonona hikatsaka ny soa iombonana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco