Sehatra fitantanana ny raharaham-bahoaka ny pôlitika ka hananana tanjona hikatsahana ny soa iombonana hanasoavana ny olona rehetra. Mba hijoro ny fiainana ara-pôlitika tena mendrika ny maha-olona dia zava-dehibe mihitsy... ny fahafoizan-tena hanompo ny soa iombonana. Ny Eglizy dia fikambanan'ny vita Batemy, mankato ny Papa, izay nomen'Izy Kristy ny fanalahidin'ny lanitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

6 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 12-14)

Ny atao hoe soa iombonana dia fitambaran'ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra ny fahalavorariany tanteraka. Tsy azo sarahana amin'ny maha olona ny soa iombonana. Mifamatotra amin'ny zo fototry ny olombelona ny soa iombonana. Manana adidy ny isam-batan'olona amin'ny fikatsahana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

5 nôvambra 2023 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny Tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...