♦ Manambana ny hampikatso ny raharaham-panjakàna ny alakamisy izao ny SSM. Manome 72 ora ireo hery velona rehetra eto amin'ny firenena izy ireo, hitady vahaolana manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Mangataka ny hanemorana indray ny fifidianana filoham-pirenena ny kandidà Andry Raobelina. Nanatitra taratasy fitoriana teny amin'ny HCC ny mpisolovava azy omaly, noho ny mbola fitsaboana azy any ampita, izay nambara fa antony tsy azo anoharana... ♦ Rongony 1.300kg mahery no saron'ny pôlisy teny Ambinibe-Andavamamba. Olona 5 no tra-tehaky ny pôlisy tamina trano fandraisam-bahiny iray, saika hanaparitaka ireo zava-mahadomenina ireo...
An'Andrimanitra ny aina koa tsy misy afaka manesotra izany. Ny fankahalana dia endrika famonoana. Irin'Andriamanitra ny hananan'ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo fiadanam-po. Noho izany indrindra no hiampangan'i Jesoa ny faharatsian'ny fahatezerana mahaty sy ny fankahalana izay samy tsy mitondra makany amin'ny fandriam-pahalemana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
24 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)
♦ Hampikatso ny raharaham-panjakana ny SSM, raha tsy misy ny fifanatonana ao anatin'ny telo andro, mba hikaroham-bahaolana amin'ny raharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Niara-nanangan-tsaina teny Ampahibe androany, ny mpitandro ny filaminana telo tonta, izay notarihin'ny Minisitrany avy. Tazana teny an-toerana koa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha... ♦ Milanja iray taonina sy 376 kg, ireo rongony efa voazara tao anatin'ny gony miisa 108, izay tra-tehaky ny pôlisy alina, teny Ambilanibe Andavamamba...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco