Araka ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina dia misy fanoharana momba ny asa hita ao : ny voalohany ny tantaran'ilay zaza mpandany, ny faharoa  fanoharana ny momba ny talenta ary ny fahatelo dia ny fanoharana mikasika ny mpiasa eo amin'ny tanim-boaloboka.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

17 aogositra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35 ; 19, 1)

♦ Kandidà fito hatramin'izao no efa nilaza tamin'ny fomba ôfisialy ny hirotsahany hofidiana ho Filoham-pirenena amin'ny 9 nôvambra 2023. Hisokatra amin'ny herinandro ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo hirotsaka amin'izany fifidianana izany... ♦ Hanomboka ny 22 aogositra 2023 ny fanontana ny kara-pifidianana, araka ny tetiandro napetraka. Hifarana tsy ho ela kosa ny fanitsiana ireo tsy fahatomombanana madinika ao amin'ny lisi-pifidianana... ♦ Hihamafy amin'izay ny fitokonan'ny SECES Sampana Antananarivo. Hiala nenina farany izy ireo, satria hafana ny hetsika manomboka amin'ny zoma izao, raha toa tsy handray andraikitra ny mpitondra fanjakana...

♦ Nivoitra tamin'ny fakan-kevitra nataon'ireo fiaraha-monim-pirenena, mahakasika ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Mandena any amin'ny Faritra Anosy, ny fametrahana sehatra fifanakalozana sy fifampidinihana hialana amin'ny disadisa ary ahatonga ny fitrandrahana hampandroso ara-toe-karena sy sôsialy any amin'ny faritra misy azy... ♦ Miroso amin'ny fitetezam-paritra ankehitriny ireo mpanao pôlitika heverina fa hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Tany Fiaranantsoa ny Mi firaisankinan'ny Tia Taninndrazana sy ny MIHAVA Tour... ♦ Mitohy ny fifidianana ny filohan'ny ligy any amin'ny isam-paritra eo amin'ny taranja baolina kitra. Taorian'ny tany Amoron'i Mania dia vita ihany koa ny tany Matsiatra ambony...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...