♦ Hamoaka ireo gadra pôlitika rehetra any am-ponja ny Rodoben'ny Mpanohitra, raha mahazo fitondrana aorian'ny fifidianana... ♦ Hanome tohana ara-bola mitentina 9 hetsy Dôlara, mba hisian'ny fifidianana madio, mangarahara ary eken'ny rehetra amin'ity taona ity, ny Governemanta Amerikana... ♦ Samy tsy hanaiky ny hanaovana ho tantely afa-drakotra ny CNaPS ireo mpiasa sy ny Tale Jeneraly vaovao...

♦ Andrasana ao Antsiranana  amin'ny sabotsy izao ny afon'ny lalaon'ny nosy. Hitety tanàna maro eto amin'ny nosy izy aorian'izany mandra-pahatongany ao amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina hanatanterahana ny lanonam-panokafana ny lalaon'ny nosy andiany faha-11... ♦ Mitohy ao amin'ny distrikan'i Vohemar androany ny fitsidiham-paritra ataon'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina any amin'ny Faritra Sava. Tao amin'ny Distrikan'Andapa izy omaly... ♦ Miantso ny CENI hamoaka ny vinavinan'ny datim-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny Antoko Politika Madio na ny APM... ♦ Raharaha any Niger : mihaona ao Abouja-Nizeria, androany, ireo filoham-panjakàna ao amin'ny CEDEAO...

♦ Nitsidika tao  FATIMA toerana nisehoan'i Masina Maria tamin'ireo ankizy miisa 3 mianadahy mpiandry ondry tamin'ny taona 1917 ireo Ekipan'ny Fahazavan'i Madagasikara nandray anjara tamin'ny JMJ tany Lisbonne Portugal... ♦ Mitsingerina androany ny faha-32 taonan'ny diaben'ny fahafahana notarihan'ny "hery velona Rasalama". Fidinana an-dalambe nankeny Iavoloha niafara tamin'ny rà mandriaka. Olona maro no namoy ny ainy, toa izany koa ireo naratra... ♦ Nanaitra ny mpitantana ny tanànan'Antananarivo renivohitra manoloana ny fivangongoan'ny fako amin'ny faritra maro ao an-drenivohitra indray ny mpikambana eo anivon'ny Antoko Politika Madio. Hetsika notanterahana teny Namontana...

Ny asa dia manambara ny maha-izy ny tena. Maro ny olona no mihevitra fa izay mahazo vola betsaka amin'ny tambin'ny asa no ambony. Ny asa mendrika dia izay rehetra mampivelatra ny maha-olona. Araka ny voasoratra ao anaty Baiboly ; rehefa niantso ny mpianany i Jesoa dia niova ny asa fanaon'ireo voaantso ary lasa mpanarato olona izy rehetra.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...