Tamin’izany andro izany, raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa, dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.
Rahefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe: "Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano." Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy: "Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato." Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony. Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy: dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: "Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho." Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony; ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna. Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna: "Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao." Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.
Tamin’izany andro izany, nony nitsangana niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa, dia niditra tao an-tranon’i Simôna. Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna tamin’izay, ka niangavian’ny olona Izy hahasitrana azy. Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo, ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.
Nony maty ny masoandro, izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy, ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nahasitrana azy. Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe: "Ianao no Zanak’Andriamanitra"; fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho i Kristy.
Raha vao naraina ny andro, dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy. Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy, ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony; fa hoy Izy taminy: "Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy." Dia nitory teny tao amin’ny sinagôgan’i Galilea manontolo Izy.
♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, tao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nijoro ny Birao Mpandrindra ny FIFAKRI ao amin'ny Diôsezin'i Mananjary... ♦ Hotanterahina any Toliara ny 14 hatramin'ny 16 septambra 2021 ny filan-kevitra nasiônalin'ny Ekipan'ny Raozery... ♦ Manampy amin'ny fanohanana ireo traboina noho ny horohorontany ny Caritas ao Haïti...
♦ Mitaky fandraisana andraikitra ao amin'ny Fiangonana ny fandraisana ny sakramentan'ny Fankaherezana, hoy i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Morombe... ♦ Mahagaga ny famindrampon'Andriamanitra, hoy i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, tamin'ny Sorona Masina nankalazana ny taom-bolavotsin'ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Nanentana ny vahoaka hanao ny vakisiny fanefitra amin'ny Covid-19 ny Papa François...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco