Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma, nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: "Andeha hanaraka Ahy ianao." Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Nahoana itý Mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?" Fa hoy i Jesoa nandre izany: "Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehàna ary ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota."

Tamin’izany andro izany, niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa, dia nita ka tonga tao an-tanànany. Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Matokia anaka, fa voavela ny helokao." Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: "Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io." Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: "Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny manao hoe: ‘Mitsangàna, ka mandehana?’ Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka", dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao." Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

Nankalazaina ny 27 jona 2021 ny taom-bolafotsin'ny Radio Don Bosco. Onjam-peo naorin'ny salezian'i Don Bosco tamin'ny taona 1996. Teny manentana mandritra ny fankalazana ny hoe : "Firotsahana sy hafaliana : mandehana mampianara ny firenen-drehetra" (Mt 28, 19). 

Tsy tokony atao sakana ny elanelan-taona misy amin' ny mpivady. (09-06-2021)

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...