Tamin’izany andro izany, niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa, ary nilaza tamin’izy ireo hoe: "Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Izay mino ka hatao Batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina. Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny". Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo, no nankatò ny fampianarany tamin’ny fahagagana nomba azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; fa rahefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko; ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Fa ankehitriny handeha Aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza Ianao? Fa noho Izaho nilaza izany taminareo dia feno alahelo ny fonareo. Milaza ny marina aminareo anefa Aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atý aminareo. Ary rahefa tonga Izy, dia handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana, sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana: ny amin’ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy ireo; ny amin’ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony; ary ny amin’ny fitsarana, satria voatsara sahady ny filohan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray, na ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy. Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo. Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo. Fa horoahiny amin’ny sinagôga ianareo, ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra. Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy nisy fantany na ny Ray na Izaho. Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rahefa tonga ny fotoana, fa efa voalazako taminareo izany."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...