12 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)
Ny alakamisy 8 jona no hatsiarovana ny maha maritiry ny Olomasina Jeacques Berthieu, izay vavolombelon'ny finoana. Voatendry ho Arsevekan'Antananarivo i Mgr Jean de Dieu Raoelison, izay handimby an'i Mgr Odon Razanakolona. Ny fetin'ny Sakramenta Masina dia ny 8 jona ihany koa. Ny laïka no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny firenena, koa ilaina ny firotsahan'ny tsirairay indrindra isika kristiana.
Ny fepetra momba ny fitiavana no mampatsiahy antsika amin'ny alalan'ireo toe-piainana nasehon'i Md François sy ny asa sorany fa ny maha-isika antsika dia ny seraserantsika. Md François dia nanapariaka ireo asa sorany tamin'ireo kristiana niadidiany, izany fahaizana nananany sy talenta voajanahary amin'ny "asa fanaovan-gazety" izany no nampalaza azy. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
11 jona 2023 — Alahady, Ny Vatana aman-dRà Masin'ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco