Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly 5, 14-21
Ry malala,
izao no toky lehibe ananantsika
eo anatrehan’Andriamanitra:
raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika,
dia mihaino antsika Izy.
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy,
dia fantatsika koa
fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Raha misy mahita ny rahalahiny
manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana,
aoka hivavaka ho azy izy,
ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana,
dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana.
Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana;
tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra,
fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra
dia tsy manota,
fa miaro tena izay naterak’Andriamanitra,
ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika,
ary izao tontolo izao kosa
mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra,
ka manome fahazavan-tsaina antsika,
mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina,
ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika,
satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany
izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5 sy 6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany,
ravahany fandresena ny ory.
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba;
fankalazana an’Andriamanitra
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo;
satria midina ety ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 2, 1-12
Tamin’izany andro izany,
dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea,
ary tao ny Renin’i Jesoa.
I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina
tao amin’ny fampakaram-bady.
Nony inona,
lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy:
“Tsy manan-divay izy ireo.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Izaho sy Ianao moa no ahoana amin’izany ravehivavy?
Tsy mbola tonga ny fotoako.”
Dia hoy ny Renin’i Jesoa tamin’ny mpanompo:
“Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.”
Ary nisy siny vato enina teo,
fidiovana araka ny fanaon’ny Jody,
nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy,
ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Fenoy rano ireo siny ireo.”
Dia nofenoiny hatramin’ny molony.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tovozy amin’izao,
ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana.”
Dia nentiny.
Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana
(izay tsy nahalala ny niaviany,
fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala),
dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe:
“Ny an’ny olona rehetra,
dia ny divay tsara no arosony aloha,
ary rahefa nisotro be ny olona
vao arosony izay tsy tsara loatra,
fa ny anao kosa,
dia ny divay tsara indray
no notahirizinao mandraka ankehitriny.”
Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany
no voaloham-pahagagana nataony;
naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
Ary rahefa afaka izany,
dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny reniny
mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany;
nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Voasazy higadra 10 taona miampy fandoavana lamandy 52miliara Ariary ireo telolahy voasaringotra tamin'ilay fanondranana volamena 73,5 kg tany Afrika-Atsimo, tamin'ny faran'ny taona 2022... ♦ Efa mahatratra 1 tapitrisa ankehitriny ny olona nisitraka kara-panondro, olona feno taona kanefa tsy nanana izany teo aloha, avy amin'ny Faritra samihafa manerana ny nosy, vokatry ny ezaka manokana hampananana ny Malagasy ny zo maha-olom-pirenena azy... ♦ Olona 30 isa no efa matin'ny kere, vokatry ny fihinanan-javatra tsy mahasoa, tany amin'ny kaominina Mahabo, disitrikan'i Betroka tato anatin'ny fotoana fohy... ♦ Misedra olana ny orinasa Fifamanor any Antsirabe. Efa tamin'ny volana avrily teo ireo mpiasa no nandray karama farany...
♦ Ny fanokafana ireo lalana tany amin'ny kaominina tao anatin'ny Distrika miisa efatra any amin'ny Faritra Melaky no nanompanan'ny governoran'ny Faritra ezaka tao anatin'ny herintaona... ♦ Azo atao tsara ny mitrandraka ireo harena voajanahary mampiavaka an'i Madagasikara entina mampiroborobo ny tontolon'ny fizahan-tany hampandrosoana ny toe-karem-pirenena hoy ny fikambanana GERP... ♦ Marisarisa ny lafiny fandriam-pahalemana any amin'ny Distrikan'i Vohipeno indrindra any amin'ny tapany atsimo andrefana...
19 desambra — Ny papa Urbain V no papa faharoanjato, nitantana ny Fiangonana nanomboka ny taona 1362 hatramin'ny 1370. Ny 10 marsa 1870 ny papa Pie IX no nanao sonia ny didy hitsivolana hanandratana azy ho olontsambatra. Teraka tamin'ny taona 1310 tao amin'ny lapan'i Grizac izy. Guillaume de Grimoard no tena anarany.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco