Miray hina hampivoatra ny velon-tenan'ny vehivavy tantsaha any amin'ny Faritra Vakinankaratra ny vehvavy mivondrona anatin'ny fikambanana misehatra amin'ny asa fampandrosoana eny ambanivohitra ao amin'ny distrika Mandoto na ny FARM "Femme en Action Rurale de Madagascar" Vakinankaratra. Manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana izy ireo.

♦ Miverina miakatra indray ny rano, any amin'ny Distrikan'Ambato-Boeny, hatramin'ny maraina teo. Manomboka maty koa ny biby fiompy any an-toerana ankehitriny... ♦ Mbola maro ireo tsy maty voalavo an-kibo amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalana sy ny fanimbana ny tontolo iainana eto Madagasikara, hoy ny Alliance Voahary Gasy... ♦ Miisa 59 hatramin'izao, ireo voafonja heverina fa mbola tsy very zo, ao amin'ny fonjan'i Taolagnaro...

Noharian'Andriamanitra hitovy endrika aminy ny olombelona. Noho izany dia manan-danja sy manana fahamendrehana ny olombelona tsirairay, ary anisan'izany "Aho". Amin'ny maha-tanora ahy dia afaka mampiasa izany ho tombony aho : afaka mamorona sy matsilo saina. Tsara aho ary afaka manao ny tsara ihany koa. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.

♦ Mihatra ny filazana loza manambana amin'ny fiakaran'ny rano eny amin'ny lemak'Antananarivo, araka ny fampahafantarana navoakan'ny BNGRC... ♦ Tafajoro ny Vovonana C-Lera, izay manohitra ny tsy rariny sy ny fanaparam-pahefana misy eto amin'ny firenena. Efa niharan'ny antsojay sahady anefa ireo mpikambana, nialoha ny fampahafantarana ny vovonana teny Iavoloha... ♦ Nisitraka vola 334 tapitrisa Dolara avy amin'ny BAD sy 200 tapitrisa Dolara avy amin'ny FIDA i Madagasikara, nandritra ny dian'ny delegasiôna tarihin'ny Filoha Rajoelina Andry any Dakar...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...