Talata 24 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)
♦ Nivoaka an-dranomasina androany, tao amin'ny tananan'i Morondava, ny sisan-drahona miaraka amin'i Chenso. Hahazo hery indray izy afaka 24 ora, ka mety ho lasa rivodoza... ♦ Miato amin'ny ampahany ny fampianarana ao amin'ny Cisco Antananarivo Renivohitra, noho ny toetrandro... ♦ Fanalahidin'ny fampandrosoana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny antoko MMM...
♦ Tontosa omaly ny fankalazana ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nanolorana ihany koa ny solom-pen'akoho ho an'ireo seminarista teny an-toerana... ♦ Fanehoana kanto ara-panahy sy famelabelaran-kevitra no nampiavaka ny fankalazana ny Andron'ny Tenin'Andriamanitra, tamin'ny sabotsy 21 janoary 2023, nanoloana ny Librairie Saint Paul Analakely... ♦ Nanatontosa ny fitsidihana pastôraly tao amin'ny Diôsezin'Ambanja, tao amin'ny Fiangonana Masindahy Pierre sy Paul, Nosibe Hellville, i Mgr Donatien Francis Randriamalala, tao aorian'ny fanamasinana azy ny 15 janoary 2023...
♦ Fandalovan'ny andro ratsy eto amintsika, 400 mahery ny fianakaviana traboina tsy maintsy nafindra toerana any Mahajanga. Maro ny foto-drafitr'asa nahitana fahasimbana ao amin'ny Distrikan'i Moramanga... ♦ Nanazava ny mpahay toe-karena Ravelomahazo Rivellinot fa vokatry ny ady ao Ukraine ny fitotonganan'ny Ariary mitaha amin'ny vola vahiny... ♦ Hiaka-tsehana amin'ny lalao amin'ny fiadiana ny tompo-dakan'i Afrika tsy misy mpila ravinahitra any ivelany na ny CHAN hatao any Algeria anio ny Barean'i Madagasikara. Hihaona amin'ny ekipam-pirenena Soudanai ny Malagasy anio alina... ♦ Miantso fandriam-pahalemana any Birmanie i Papa François omaly ary miantso fitoniana manoloana ny toe-draharaha politika any Perou...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco