30 aogositra — Zanaky ny mpanjaka tao Irlande i Fiacre, niaina tamin’ny toanjato fahenina sy fahafito izy, nobeazina tamin’ny fahalalana sy fitiavam-bavaka. Mbola tanora izy dia efa niredareda tao aminy ny fitiavana te hanirery sy ny faniriana hiaina ho an’Andriamanitra irery ihany.

Tsy afaka misaraka amin'ny fianakaviana ny tontolo misy azy, dia ny fiaraha-monina izany. Mampandinika ilay fomba fiteny hoe : " lazao ahy izay mifanerasera aminao dia lazaiko hoe iza ianao". Araka izany dia manana anjara amin'ny famolavolana ny olona ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Talata 30 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 31-37

♦ Olona maherin'ny folo no voalaza fa namoy ny ainy ary maherin'ny telopolo no naratra, voakatry ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana tany Ikongo androany... ♦ Miantso ny firenena maneran-tany i Etazonia, isan'izany i Madagasikara, mba hanohitra ny fanafihana ataon'i Rosia any Ukraine, izay misy fiantraikany lalina ara-tsosialy sy ara-toekarena maneran-tany... ♦ Tsy maintsy hanatanteraka ny diabeny ireo mpitondra taxi ao Antananarivo Renivohitra, na mahazo alalana na tsia avy amin'ny Préfet-n'ny polisy, hoy izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...