♦ Hotanterahana anio ny lalao manasa-dalana eo amin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona, sokajy lehilahy. Marobe ireo mpijery efa nilahatra tapakila hatramin'ny maraina, hijery ny fihaonana eo amin'ny Ankoay sy ny ekipan'i Mali... ♦ Fanehoan-kevitra momba ny fampiharana ny PSE... ♦ Tompon'antoka voalohany amin'ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana ireo mpamily, raha ny fanadihadiana natao tamin'ny tompon'andraikitry ny Maki eny Andohatapenaka...

♦ Tsy miankina amin'ny krizy ny firosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena, ary mihatery ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara, hoy ny firaisamonim-pirenena Rohy, raha nanao tombana ny zava-misy eto amin'ny firenena... ♦ Tsy tokony hokorontanina sy hosimbaina noho ny tombontsoa pôlitika sy ny fitiavan-tena ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... ♦ Handray fepetra amin'ny fanaraha-maso ireo seranam-piaramanidina sy ireo toeram-pitsaboana ny fitondram-panjakana, hitiliana ny "Variole du singe"...

12 aogositra — Teraka ny 23 janoary 1572 tao Dijon i Jeanne Françoise. Filohan’ny parlemanta tao Bourgogne ny rainy. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no maty ny reniny, ka i Bénigne Frémyot, rainy no nanabe azy.

Nampanantena ny zavatra rehetra ho fanampiny ho an'izay tsy mikatsaka afa-tsy ny fanjakàn'Andriamanitra sy ny fahamarinany i Jesoa. Manamafy orina ny finoana ny teny fampanantenana ary mahatoky ilay nampanantena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...